Madagascar-HH-Aug.-2019-4.JPG
Communiqué de presse

Nanao asa fanompoana adiny 10.000 ora mahery ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana nandritra ny fanatanterahana ny Andron’ny Fanomezan-tanana manerana an’i  Afrika

Tany am-piandohan’ny taona 2019 dia niara-nanapa-kevitra ny hanolotra ny 17 aogôsitra 2019 ho “Andron’ny Fanomezan-tanana manerana an’i Afrika” ireo fiadidian’ny Vondrom-paritra Afrika Andrefana sy Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana. Amporisihana ny hanatanterahana ireo tetikasa Manome Tanana mandritra ny taona, fa natao mba ho Andro manokan’ny Fanomezan-tanana ny 17 aogôsitra.

Tao anatin’ny taratasy iray tamin’ny 01 martsa 2019, izay nalefa ho an’ireo filohan’ny tsatòka sy distrika ary misiôna rehetra, ary ho an’ireo eveka sy ireo filohan’ny sampana rehetra, dia namporisika an’ireo mpitarika ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana mba hiara-hiasa amin’ireo mpitondra fanjakana eo an-toerana ka hitady ireo zavatra ilain’ireo fiarahamonina sy hikarakara hetsika Manome Tanana ho toy ny asa fanompoana mpitari-dalana ny 17 aogositra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny lohahevitra hoe “Mifampitondra ny enta-mavesatra.”   Nanomboka nandrafitra tetikasa Manome Tanana manokana ho an’izany andro izany ireo mpiangona tao anatin’ny firenena miisa telo amby roapolo ao anatin’ny Vondrom-paritra izay ahitana ny Fiangonana.

Nitondra fitahiana ho an’ireo fiarahamonina tany amin’ireo firenena nanerana ny Vondrom-paritra ireo tetikasa Manome Tanana an-jatony notanterahina tamin’ny 17 aogôsitra. Ireto manaraka ireto misy santionany vitsivitsy tamin’ireo karazana tetikasa ireo.

Zambie: Nandoko ny tety ivelan’ny hôpitaly iray teo an-toerana.  Nanadio ny biraon’ny mpitandro filaminana misahana ny manodidina. Niara-niasa tamin’ny fikambanana “Empower Foundation” ka nanolotra fandriana ho an’ny toeram-pitsaboana iray.

Kenya: Nanolotra vato sy simenitra ary fasika mba hitondrana fanampiana eo amin’ny fanorenana efitrano fianarana iray tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray.   Nanolotra sakafo sy fitafiana ho an’ny toerana iray mitaiza ankizy.

Tanzanie: Mpilatsaka an-tsitrapo miisa dimampolo amby zato no nanadio sy nanamboatra ny zaridaina tao ao amina toerana iray misy ireo fasana teo an-toerana.

Afrika Atsimo: Mpilatsaka an-tsitrapo niisa roapolo sy roanjato no niara-niasa tamin’ny “Rise Against Hunger” mba hitondra fanampiana teo amin’ny famonosana sakafo niisa dimy arivo sy dimy alina ho an’ny ankizy noana.  Ny sasany nanamboatra latabatra sy nandavorary izany tany amin’ny sekoly iray teo an-toerana. Ny sasany kosa nanolotra fitaovam-pidiovana tany amin’ny sekolin-jazavavy iray.

        

 

République Démocratique du Congo:  Mpilatsaka an-tsitrapo niisa dimy amby fitopolo no nanadio ny tobin’ny zaza kamboty iray. Ny sasany nandoko ny tranoben’ny mpitandro filaminana.

Cameroun: Nanao fanasana fiara. Nanadio ireo araben’ny tanàna.

Congo: Nanome ra tany amin’ny hôpitaly iray teo an-toerana. Nanampy tamin’ny fanadiovana ireo araben’ny tanàna.

Ouganda: Nanadio tobim-pahasalamana teo an-toerana ary namboly bozaka vaovao. Nitsidika marary sy nampahery azy ireo.

Namibie: Nanolotra sakafo sy fitaovam-pidiovana ho an’ny tobin’ny zaza kamboty iray.

Angola: Nanolotra fanohanana ny tetikasa iray fampahatsiarovan-tsaina momba ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny tontolo iainana ho madio.  Nanome ra tany amin’ny hôpitaly iray teo an-toerana.

Mozambique: Nanampy teo amin’ny fizarana fitaovana mpanamafy retsim-pandrenesana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny Nzwan Adatia Foundation.

Zimbabwe: Niara-niasa tamin’ny filankevitry ny fitondram-panjakana eo an-toerana mba hanadio ireo faritra fanariana fako tsy ara-dàlana teo amin’ny tanàna.

Ireo tetikasa Andron’ny Fanomezan-tanana manerana an’i Afrika dia nahazoana fanehoana fankasitrahana an’arivony sy nitahy fiainan’olona an’arivony. Izany koa dia nanampy teo amin’ny fanorenana firaisan-kina sy fiaraha-miasa amin’ireo olona eo anivon’ireo fiarahamonina izay nanatanterahana tetikasa.

       

        

Ny talen’ny hôpitaly iray tany Luanda Angola izay nanatanterahana tetikasa Manome Tanana iray tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra, dia naka sy nandamina fiara fitateram-bahoaka mba hitaterana ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ilay hetsika.  Hoy i Josemar Domingos talen’ny fifandraisana amin’ny any ivelany hoe: “Vao voalohany izao izy ireo no nanolotra fitaovam-pitaterana toy izao. Lasa mahatsapa ho toy ny mpiara-miasa amintsika izy ireo ao anatin’ilay tetikasa.  Raha ny marina dia lasa fantatra manerana ny tanànanay ilay Andron’ny Fanomezan-tanana. Misy olona maro avy eo amin’ny fiarahamonina maniry ny hiara-hiasa aminay.”

Remarque concernant le nom de l’Église:Quand vous parlez de l’Église de Jésus-Christ des Saints des Derniers Jours, veuillez utiliser le nom complet de l’Église la première fois que vous la mentionnez. Pour avoir plus de renseignements sur l’utilisation du nom de l’Église, consultez notre Guide de rédaction.